TSY TANTY (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY TANTY




Tsy tanty ny halavirana
rehefa te hahita anao,
mihaodihaody manahirana
izay rehetra tian-katao.




Tsy tanty ny fahanginana
rehefa te hizara ombieny
ny ambara ho fanambinana
vao mitokantokana eny.




Tsy tanty ny embonembona
rehefa te hampiray fitiavana,
io lava ny rembondrembona
manelingelina ahy goavana.




Tsy tanty ny tsy ho any
rehefa izao no mba manjo,
tonga ho azy ireo tomany,
misento mafy ny ato am-po.





Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
Sokajy : embona - Alahelo - fiainana - Fitiavana
733 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 16/01/2017 15:10
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0157