TWO WORDS (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TENY ROA





Teny roa dia efa ampy
ilazako ny ato anaty ;
teny roa no vatolampy,
tsy voazera mandramaty.



Teny roa dia efa afaka
manambara ny ato am-poko ;
teny roa no tena miavaka,
mbola meva sy miloko.



Ny voalohany dia ny " TIAKO ",
ny faharoa dia ny hoe : " IANAO ",
ka ny hany mbola iriko,
ny fitambarany eto izao.



Mba tia anao ny tena
ka tsy mahafoy hatrany ;
ianao no mbola harena,
Tsy voasoloko eto an-tany.



Teny roa !...Tsy mihoatra !
No mbola sarotra kosehina ;
teny roa no mamy loatra,
Tsy hay akoro na potehina.




Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
661 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 15/01/2017 23:50
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0156