You are here: home > Vetso

VALIO - Fredy Jaofera


VALIO




Rahoviana vao ho re
Ny fototry ny nisy ?
Rahoviana sa dia hoe :
Indrisy ka indrisy ?



Rahoviana vao hivoaka
Ny Marina rehetra ?
Rahoviana vao hipoaka
Hamotika ny fetra ?



Rahoviana vao haseho
‘zay sahy nanao ireny ?
Rahoviana fa, ry zareo,
Nandrava tsy an-kiteny ?



Rahoviana vao hisava
‘reny maty sy nodorana ?
Rahoviana vao hazava
Ny voka-pamotorana ?




Fredy JAOFERA

Sokajy : Politika, tantara

Hametraka hevitra

Midira aloha