You are here: home > Vetso

VANTANY - Fredy Jaofera

VANTANY





Vantany vao kamboty
ny fo tsy hay ambara
dia tsy mba afa-nioty
ny mamy fa voarara.




Vantany vao sahirana
ny saina niady loatra,
tsy nanan-kifikirana
ka tsy afa-nivoatra.




Vantany vao nandena
'reny oram-batravatra
dia tsy ny famonjena
no tonga fa ny ratra.




Vantany vao nipoitra
ny mafy 'zay tsy zaka
dia tsy tany no nizotra
sy nikasa hiorim-paka.




Fredy JAOFERA







Hametraka hevitra

Midira aloha