VAVAK'ILAY POETY (2) (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
VAVAK'ILAY POETY



Ataoko ahoana moa, ry Ray,
no tsy hisaotra Anao indray
tamin’ireny andro maro be
feno tsiky vao mandeha ?



Ataoko ahoana ny hanadino
k'inty ny saiko re vimbino,
inty ny foko re mba ento,
na dia lavitry ny sento ?



‘Reny oram-batravatra,
toa nikija sy nandratra,
mbola ataovy fifaliana
tsy hahitako fijaliana.



‘Reny ora nampangidy,
tsy mba tery na safidy,
mbola ataovy varavarana
hahitako fahasambarana.



Ry Tompo ô !...Ongoty
ny alahelon’ny kamboty
ka enga anie ‘zay faniriana
ho tanteraka mangina.



Ny mahantra sy ny ory :
tsy miadan-tsaina akory,
ka tsinjovy lalandava
mbola hahita ny mazava.



Andriamanitra ô ! Tahio
'zato fiainako eto anio,
ho Anao anie ny Laza
sy ny Dera izay sahaza.



AMENA


Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
Sokajy : Vavaka
939 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 26/07/2017 12:53
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0147