VETSON'NY MANINA (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
VETSON'NY MANINA



Akanga diso ala ny aty ka manina ny nahazatra,
ny vatana ihany no eto fa ny saina lasa tsy tratra ;
fantatrareo ve, re olona, hikopaka ho aiza ny goaika ?
Asaivo miandry ahy vetivety fa ny orana ity mitaika !



Kamboty diso tsiky aho ka mivembena fotsiny eny,
manonofy an'izay tsy eo sy manontany tena ombieny ;
aoka amin'izay aho hanainga hamonjy izato tanĂ na
fa mbola maizina ny andro matoa re mba tsy tamana.



Vitsika momba kitay aho ka mbola harivariva aty,
aza tobatobasana tsiny raha dodona fatratra ery ;
mafy dia mafy mihitsy ny te hamonjy ny akany
lavitra loatra ny fo raha dia nandrotsa-tomany.



Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
Sokajy : Hanina - embona - Alahelo
1522 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 06/05/2008 12:07
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144