VODY ANDRO MERIKA (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
VODY ANDRO MERIKA





Tsinjovy ny vody andro merika
tsy ho olana ireo andro ririnina
na ho sahirana rehefa hiherika
fa mandry raha mba fintinina.




Ny ampitso katsahina hatrany
fa tsy faly hanampatra foana ;
lakalaka ny fiainana an-tany
ka sao dia ho tazako moana.




Tsy hay ny ho avy sy hitranga
ka saintsaino ny zava-drehetra
fa ny diavina misy tsy manga,
sao avy eo vao tena hanjoretra.




Aleo mihafy raha lanjalanjaina
na halavirina ny fisekosekoana
fa malama ka sao dia hangaina
ny tany ka ho very haravoana.





Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
873 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 18/01/2019 11:00
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0163