You are here: home > Vetso

VONOINA NY MARINA - Fredy Jaofera


VONOINA NY MARINA





Vonoina ny Marina
sao tsy handresy,
tsy tiana hitarina,
na indro misesy.




Vonoina ny Marina
sao tsy hahasoa,
aleo amboarina
fa tsy mba roa.




Vonoina ny Marina
sao hanahirana,
indro navarina
tsy hifikirana.




Vonoina ny Marina
sao hiparitaka,
fenoina harina
ka tsy nibitaka.




Fredy JAOFERA


Hametraka hevitra

Midira aloha