You are here: home > Vetso

YOU - Fredy Jaofera



IANAO




Ianao no mbola voafidy
hianteherana mandrakizay,
koa andao re fa sarobidy
‘reo dina natao hampiray.



Ianao no mbola voatendry
hampihaingo ny zava-boahary ;
koa ento fa tsara fikendry
'reo toky natao tsy fanary.



Ianao no mbola voabaiko
Hitondra ny tsiky rehetra,
koa ity fa na dia ny aiko,
atolotro atao tarigetra.



Ianao no mbola malala
nambabo mora ny saina ;
koa raiso fa mbola tsy miala
'reo hira fanao vao maraina.



Fredy JAOFERA


Hametraka hevitra

Midira aloha