ZANA-BAHOAKA (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ZANA-BAHOAKA




Zana-bahoaka
tia tanindrazana,
mahay mandoaka
ny làlana mazana.


Zana-bahoaka
nihafy tanteraka,
tsy mba mitsoaka,
na maty reraka !


Zana-bahoaka
mahatsiaro saina,
hampipoapoaka
ny Nosy lalaina.


Zana-bahoaka
te hampandroso,
mahay mandroaka
ny nampikororoso.


Zana-bahoaka
nitondra tangena,
maha-tafavoaka
an'ity firenena.




Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
Sokajy : Tanindrazana
1316 1
Mpakafy: toetra
Hevitra mandeha
toetra ( 02/07/2006 12:00)
Ndeha hifampitanatana ry Zana-bahoaka. Ento miakatra ny firenentsika.
Misaotra Fredy.
3004 ( 04/07/2006 08:15)
Tsisy fisaorana e !

Fredy
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 27/06/2006 16:11
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0161