You are here: home > Vetso

ZANAKA - Fredy Jaofera


ZANAKA





Ny vola no harena maty
fa ny zanaka harena velona,
tsarovy tsara ka mba soraty,
tsy atakalon'ny olombelona.




Ny vola no harena maty
fa ny zanaka harena velona,
ny fiainana dia ho poak'aty
raha tsy eo miselontselona.




Ny vola no harena maty
fa ny zanaka harena velona ;
izany ange tsy ho lany daty
fa sarobidin'ny olombelona.




Fredy JAOFERA


Hametraka hevitra

Midira aloha