You are here: home > Vetso

ZAZA - Fredy Jaofera

ZAZA




Zazan'ny Famonjena
no efa eto amintsika
ka nahazo fandresena
sy laza tsy hay adika.




Zazan'ny Fitahiana,
avy ho fanomezana
mandroaka fijaliana
tsy ho fahaverezana.




Zazan'ny Fiadanana
ka masina eto loatra
tonga ho fihavanana
satry ho tafahoatra.




Zazan'ny Hazavana
hanilo eto an-tany
mivatsy fahagagana
no tsy ho hita lany.



Fredy JAOFERA

Hametraka hevitra

Midira aloha