Ilay fitia (fyfty unilah )

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fa nahoana kay ry tiako no omenao alahelo
Ity foko izay sondriana ka naniry hahita anao?
Tsy novalianao fitiavana ilay foko efa feno
Efa sasatra niandry efa sasatra nikaroka
Ilay endrikao sariaka izay nandrasany aminao
Saingy indrisy fa kobay no tsaroany nidaroka

Fifaliana no nandrasany saingy indrisy mahonena
Fa nilaozanao nipetraka, nodianao tsy jerena
Izany fientanentam-pony efa sasatra niakatra
Kanjo ilay fandaozana iny valin'ilay efa sasatra

Ranomaso no tsy latsaka tsy avelako satria
Tsy ho tantiko eny ny fiatraikan'ny fitia
Fa fitia no andrandrainy sy andrasany aminao
K'aza odiana tsy hita re!Fa hiantefa anilanao
Aza avelanao ho levona fa tsy lefitra intsony
Sao ho ringana tsy hisy ka hanadino izato fony
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1110 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : fyfty unilah
Nampiditra : fyftyr
Daty : 08/08/2014 07:38
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142