izany hakantonao ry tiana (fyfty unilah )

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hainao izany hakantonao anaty fitsikiana
Mambabo ny fijeriko,mamoha ny faniriana
Satriko isanandro hijery anao hatrany
Hiaina anilanao nefa nofy ihany izany

Ny endrikao sariaka mahasondriana ery
Ny volonao mitsotra mambabo ny fitia
Maha-te hikasoka, ny tanako efa sasatra
Hanafosafo ny tarehinao, te ho tonga lafatra

Ny filantonao, migadona tsy taitra
Mamaly fitsikiana mody tsy miraika
Mandona ny aty foko,manoratra tantara
Anatin'ny tsiaroko izay hitako fa tsara

Ny fidolanao izay hitako isanandro
No mamerina ny heriko ho toy ny masoandro
Ilay akaikinao ahatsapako hafanana
Ny anilanao no tena mahatamana.
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1048 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : fyfty unilah
Nampiditra : fyftyr
Daty : 08/08/2014 08:48
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.015