SAMBATRA HONO (Gérard RANAIVOZANANY)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
SAMBATRA HONO


Sambatra hono f’izaho lasan-davitra
Satria tsy voakasiky ny fahoriana
sambatra hono no sady finaritra
Nefa aho la vitra fianakaviana

Raha misy zava-midona any hoany
Tsy sambatra aho satria miady irery
Ianareo rehetra miaraka ihany
Izaho aty singany toa olona very

Ny tena tsy zaka dia rehefa manembona
Ireo zava-niarahana fony taloha
Tadidinareo ve ireo kalo sy embona ?
Mahatsiaro an’ireny aho dia maharary fo

Tsaroanareo moa ilay i dada narary ?
Ny adin-tsaiko namoritra feno tomany
Ianareo rehetra toa rano sy vary
Izaho tsy mba afaka nandeha nankany

Nony nandao izy tsy hitako akory
Fa nantsoin’ilay tompony dia lasa nankany
Izaho tsy afa- nankaiza fa olona ory
Sambatra ve aho ho ohatran’izany ???


Gérard RANAIVOZANANY le 15 août 2006 à 21h33
--------
Rohy:
Sokajy : Fianakaviana
1729 0
Hevitra mandeha
lika ( 23/08/2006 12:07)
misy manko mieritreritra fa rehefa lasa aty an-dafy dia lavitra fahoriana
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Gérard RANAIVOZANANY
Nampiditra : lika
Daty : 15/08/2006 20:44
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0133