You are here: home > Vetso

Ho an' i Mama - gervais RANAIVOSON

Lehibe 'zahay 'zao
Safononoka hasambarana
Noho ilay hanatrao
Bedibedy tsy hay tohanana
   Noheverina ho adalana
   Rediredy serimonina
   Hay vatosoa tsy an-tsahala
   Nampita aina tena bonina
Notoherinay hatrany
'Reo tolo-tsainao ry mama
Noheverinay hanihany
Sy revin'antitra mazana
   Ankehitsiny'zay vao tsapa
   Hay lalan-tsoa 'zay sarobidy
   No namonosanao ny lasa
   Mba hatafita 'reto ankizy
Ny hafalianao aza indraindray
Dia natolotrao ho sorona
Mba hitsinjo ny ho avinay
Ho olom-banona ho vonona
    Misaotra betsaka ry mama
   Tsy ho voavaly 'zay nataonao
   Sary mamy tsy hay fafana
   Voatahiry ao am-ponay ao


  

Hametraka hevitra

Midira aloha