You are here: home > Vetso

SOA FA.... - gervais RANAIVOSON

Soa fa nisy kalokalo
Rotsirotsy mofon'aina,
Hoventsoventson'ny mpandalo
Mijaly mafy reran-tsaina,
   Manantena fitoviana
   Na tsisy hery hoenti-miady,
   Na donak'afo fiafiana
   Mitraka foana tsy mandady.

Soa fa nisy serasera
Lalan-drĂ  mampita aina
Hizarako izay nomena
Ho tolo-kanto tolotr'aina,
   Ho fiaro bala maro
   Ho an'izay sedran'ankaso,
   Tsy hanjoretra hanganohano
  Hiady hatrany tsy an-kiato.

Soa fa nisy taratasy
Hampitako izay tsy tanty.
Dia ireo mihevitra hoe mafy
Ka misetrasetra sy migafy,
   Mamotsifotsy ny mahantra
   Mirehareha fa be valera,
   Kay kely saina tsy marnitra
   Tarana-bonjo diso lera.

Soa fa tsisy vola omena
Hisandana izay natolotra:
Ilay taratasy kely fa valera,
Mamboly ady maharomotra:
   Mitondra disadisa maro
   Fa mody anjely am-pisehoana.
   Soa fa tsisy saina noana
   Ka vao mahita dia mivaona.




Sokajy : Aingam-panahy

Hametraka hevitra

Midira aloha