SAMPANANA - ghest1986

Mpanoratra : ghest1986
Nampiditra : ghest1986
Daty : 29/01/2012
Mpamangy : 187
Isa : 5
Fidio :







Raha hisampana eto ny lalantsika roa
Ka zary hotereko hatory tsy hifoha
Ilay fitia mireda am-poko tsy hay vonoina
Fa latsapaka loatra tsy mety adinoina
Dia efa tsinjoko eto, ary tena irariako
Ny asambaranao io ry ilay tena tiako
Mba hibaliaka foana, sy hiposaka isan’andro
Hitaratra tsy hiato ho anao ny masoandro
Fa ny ahy lalan-tsarotra, malama sy mideza
Izaho tsy haharitra, izaho koa tsy hateza
Iny lalako iny efa tena diso fantatro
F’itondra ahy izy iny ambaravaram_pasako

Sokajy : Fisarahana

Hevitra mandeha

ghest1986 (29/01/2012 23:46:09)

veloma ianao

ghest1986 (29/01/2012 23:46:23)

veloma ianao

chiara (31/01/2012 13:32:53)

veloma ary e :D

Hametraka hevitra

Midira aloha