"ENY TENA NGAINA AHO!!!" (Gin Yellow)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Marina fa tsy ho tody

Ny sambo vaky an-dranomasina

Ny niraraka ho tany tsy hipody

Dia veloma masina

Tsy nitoetra fa nihelina

Norava toy ny fanasina

Tsy naharitra fa niserana

Diamonja very hasina

Niainga tsy nahina

Nanidina nitsipak'aina

Notsofin-drivotra mangina

Toa tany mando mora maina

Nangatriaka moramora

Nanàra 'lay lalaina

Nihintsana vao tanora

Tsy nahatratry ilay maraina

Vao nitsimoka dia niofo

Nibaboka 'lay voninkazo

Mba nokoloiko anaty lofo

Nefa kosa ka nalazo

Nisoka 'lay masoandrom-panazava

Niriko toa tarazo

Kanjo hafaliana maizim-bava

Vahona no anjara mba azo

Fahatsiarovana no sisa

Mamoha ny ntaolo

Ninoako ho paradisa

Ny andron'ny tany tontolo

Nataoko hahasambatra

Kanjo tany ngazana haolo

Tsy onenan-dravatra

Feno angatra sy lolo


Mpanoratra: G-Y (Gin Yellow)

ENY TENA NGAINA AHO!!!
--------
Rohy:
1267 2
Mpakafy: ginyellow8 - viola29
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Gin Yellow
Nampiditra : ginyellow8
Daty : 23/09/2015 12:30
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014