You are here: home > Vetso

TSY AFA-PO - HAINGO

Na efa maro ihany aza
Ny hirahira teo himolotro
Dia tsy mbola mahalaza
Fa hoe ampy izay natolotra
*
*
Ary noho izany indrindra
No tsy nahasasatra ahiko
Raha mikiry mampirindra
Ireo amboaran'ny fanahiko!

Satria hatramin'izao tokoa
Ny ao anaty tratrako ao
Dia tsy mbola afa-po
Tamin'izay nataoko ho anao
*
*
Mbola tia handrasarasa
Tsikitsiky vaovao
Honorenana ny lasa
Saika nahakivy anao
*
*
Fa raha misy faniriana
Tsiritin'ny fisainako
Dia hizara fanampiana
Amin'ny andro sisa iainako
*
*
Hanana famafisan-doha
Ka hitazo hanasoa
Mba ahavita be kokoa
Mihoatra ny teo aloha

Sokajy : Fitiavana

Mombamomba

Mpanoratra : HAINGO

Nampiditra : NyFetra
Daty : 03/01/2019
Mpamangy : 272
Mankafy : 2
Ankafizo Azo vakiana?

Tononkalo hafa

Madama tiako....

Hametraka hevitra

Midira aloha