You are here: home > Vetso

Lavitra - hajani

Raha andao anao aho anio,
Dia  izao no tsarovy sy mba tadidio,
Ny fitiavako anao,lehibe tokoa,
Ny tenako no lavitra ,ankaiky ano ny fo.

Ny lavitry ny maso hono ,lavitry ny fo,
Tsy marina izany raha ny antsika roa;
Ka na inona hitranga ,na inona hidona,
Ny anaranao foana no indro tsaroana.

Mamy tokoa ny eo anilan'ny tiana,
Ny hisaraka aloha tsy mba nofidiana,
Ny fiainana anefa tsy vitan'ny fitiavana,
Any andro iray ho tondraka ny fahasoavana.

Mombamomba

Mpanoratra : hajani

Nampiditra : dadatoa
Daty : 06/08/2004
Mpamangy : 2106
Mankafy : 1
Ankafizo

Tononkalo hafa

Fitiavana
lavitra
Fitiavana
Avec toi
Seul sans toi
Ecrire
Tu peux...

Hametraka hevitra

Midira aloha