You are here: home > Vetso

FIREMBEN'NY FANAHIKO - Hanitr'i NP

Ngamba izato ianao ry volana,
efa leo ireo tati-bolana,
Fa na monja tokan-kintana,
Tsy navelanao hamafy vintana,
Na dia iny habakaba-manga,
toa zary raho-mainty no nitranga!
Nankaiza ilay firemben'ny fanahiko,
toa zary haizin'ihany sisa no mba sahako?  
Tokoa ve izato ianao ry volana,
efa leo ireo tati-bolana?
Fa zary dindon'ny fahoriako,
ny haizin-kitrokao tsy nofidiko!
Sa ve dia sarin'ny anjara,
ka na ny taratrao aza zary nisy,
toa misalotra kalisy ny ho fizotr'ity tantara?
.
#Hanitry_NP ®

Hametraka hevitra

Midira aloha