You are here: home > Vetso

FITIA ADALA! - Hanitr'i NP

Ianao v'efa sendr'ilay olona tena tia,
ilay tsy nisala fa tena nankafy ka sahy nilokaloka ny ho doria?
Saingy ianao no nisalasala,
mantsy ianao tsy mba nahalala,fa misy fitia,fitia adala!
.
Adala nefa vokatry ny fo,
adala ngamba fa tsy manam-paharoa
Adala saingy noheverinao ho kitoatoa!
F'iny mantsy ilay fitia tsy mifamaly,
fitia azo ekena saingy mety hampijaly rehefa tojo ilay hafa nirina ny omaly!
Fitia adala!
Tena fitia nefa nampisala,
Satria fitia nandeha ila,
fitia zary hanery ny ampifila,
ka mihintsy tsy ho malala!
K'hany herinao niala!
.
#Hanitry_NP ®

Sokajy : Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha