You are here: home > Vetso

HIDIHIDIKO! - Hanitr'i NP

Mbola ho tsapanao ihany izany halalin'ny fitiavana,
rehefa mby ianao ka tojo ilay tsy resin'ny fandavana!
Mbola ho tsikaritrao koa ny ngovitry ny ratrany,
Rehefa ianao nahifiny tsy ho eo an-tratrany!
Eny e!
Milalaova!
lalaovy ihany izany foko,
Fa mbola ho avy izany fiainanao hitoeran'ny toloko!
Mantsy ny ahy efa sitrana!
Ny ratrako aza efa voavintrana,
Zary mihintsy efa nanolatra,
ka monja ny hidihidiny sisa no nanosika ahy hanoratra!
.
#Hanitry_NP ®

Sokajy : Fisarahana, Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha