You are here: home > Vetso

ILAY HOE TIA - Hanitr'i NP

Iangolàn'izy ka tambazana,
hiangotiana koa sy hiatsampazana,
Nefa zary toy ny "motika" nahavoky,
Tsy mba nisy fahazoan-toky...
Nifonana sy nitomaniana,
Hingosoana fa hoe tena tiana,
Nefa zary toa "fanalan'azy" ny tena,
Tsy misy sitraka mba nomena...
Niaretan'ireny hompany rehetra,
nozakaina avokoa az'ireny daroka,
hany ka tsy mba nikaroka,mantsy jamba ka voafetra!
Fa tsy mba nahatsapa ny hoe efa tsy tiana,
na dia kilalaony sisa k'hanaovan'izay tiana,nefa mbola indro mitampikotra tsy miala,
Jamba!Marenina!
Sa...
Tia sy potika ka toy ny adala!
.
#Hanitry_NP ®

Sokajy : Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha