You are here: home > Vetso

ILAY VOALOHANY - Hanitr'i NP

Any izay 'lay olon'iray nanaitra ny fo,
Nahafoizan'izay rehetra mba tiana,
Olo-nitondra hasambarana sy hafaliana ka mamy tokoa!
.
Any izy izay ilay nanome ny tena lafatra,
Nantenain'hiondanana sy hiafaràna,
Voaloham-pitiavana nihantahantàna toa namela hafatra!...
.
Fa Fitiava-nandalo ka natakalo ny akanga tsara soratra,
Fitiavan-tsy anjara ka ratsy fiafara no sisa nanolatra!
Any izay 'lay voaloham-pitiavana tsy mety adinoina,
Na niniana hosoloina sy hezahan'hovonoina!
.
HanitriNP ®

Sokajy : Fiononana, Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha