You are here: home > Vetso

LENTAN'NY PENINA - Hanitr'i NP

Rangodrangotra voarakitra,
Sorirariram-pahahatsiarovana tsy telina,
No zary toa nandrakotra ny lentan'ity penina...
Rakofan-tsarintsarin-teny,
Mbetika misary sombin-tantara,
Haingoana pitsopitson-driaka tsy voarara ka nafenina!
Toa siokam-po tsy tana,
Sahala amin-drediredin'adala,
Sentosenton-tiana sy malala tsy tamana,
Nofinofim-pahatsiarovan'ny fitia niboriaka,
Tantaram-piaina-nolalovana fa niery,
Norantovina hampisento antsika mb'hovoakajy tsy ho very!
Adin-tsaina maro mifanongoa,
Ventesina hirima hovakiana,
Faranan'amim-paniriana amin-tsoa mba ho tiana,
Izay ilay rangodrangotra voarakitra,
Sorirariram-pahahatsiarovana tsy telina,
No zary toa nandrakotra ny lentan'ity penina... ®

Sokajy : Aingam-panahy

Hametraka hevitra

Midira aloha