You are here: home > Vetso

Atsy ho atsy...! - harikalo

        ATSY HO ATSY...
Atsy ho atsy misy fery
tsy mba mety sitrana,
na dia isan'andro no mijery
dokotera mpanasitrana!

Itsy itsy ange jereo
tsy mba misy ny miantra,
dia ny mariny tsy eo
eh!izy kay mahantra.

Etsy etsy anie jereo
ity zaza mitomany lava!
tsy mba hainy akory zay vonjeo
toa mandray ny tsy sahaza.

Aiza ho aiza kosa re...
ilay fahasambarana tsy tasy?
Sa mbola miatra 'lay hoe:
"Mahadrasa kely , fa mbola atsy ho atsy!"
          Harikalo(h.Ri)
            02/08/05

Sokajy : Aingam-panahy

Mombamomba

Mpanoratra : harikalo

Nampiditra : harikalo
Daty : 18/03/2006
Mpamangy : 607
Mankafy : 0
Ankafizo Azo vakiana?

Hevitra mandeha

herilanto (09/04/2006 15:22:12)

efa atsy ho atsy mihareta ihany;fa izay maharitra,hono, vadin'andriana

Hametraka hevitra

Midira aloha