Aout 2016 (Zoky Eric)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Indrisy mantsy,fahoriana
No mitobaka ato am~poko
Rakotrin'ny fijaliana
Ka nanjary nitokoko

Nitokoko samy irery
Tsy nahazo izay nirina
Ka nihevitena hoe very
Lasa nangidy ny hamamianana

Mba saika hiseho ho topondaka
Ka niezaka fara hery
Saika mba hanjakazaka
Diso kely ka dia very

Enina ambinin'ny folo sy roa arivo
taona ratsy tao anatiko
Nitondra ahy tao anaty kizo
Fahoriana izay tsy tantiko

Taona mainty,taona ratsy
Taona loza izay nandaka
Nampijaly ka tsy tanty
Tsy mba azo re ny "BAC"

Nefa tsy kivy zany tenako
Fa any andro any ora
Mbola hikombona ny feriko
tsy ho kivy ny tena fa tanora

(esy e, ry fiainako)
~~Eric~~
--------
Rohy:
1289 1
Mpakafy: rhayman
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Zoky Eric
Nampiditra : Shcwarzeneric
Daty : 07/09/2016 13:55
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0155