ILAY MPANENDAKA (Zoky Eric)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
"Dada a! Ho aiza Dada ?"

Hoy ireto zanako
nisambotra ny tanako
Nitanondrika aho nisento, nirotsaka tomany
Ndeha hitady vola i Dada, ny zanako eto ihany.

Raha mba fantany mantsy
fa ny aty ampaosy antsy.
Antsy lava sy maranitra, no fitaovana ampiasaina.
Indraindray aza moa, tena mahatapitr'aina.

Eny , asa ratsy
no hitadiavako ireo vatsy
Vatsy hoentina mamelona, ny tokatrano kely
sy ireo mofo mamy kely, tsy hadino velively.

Fa ny asa mba sahaza
dia irony asan-jaza
Tsy mahavelona ny vady, sy ireto zanako tsy foiko
ka ny hany fara heriko, ny asa no lotoiko.

Rehefa takariva sina
amin'ireo toerana mangina
Amin'iny no misitrika, mijery izay mandalo
Ny pĂ´lisy sy zandary, no hany fahavalo.

Mbola hoavy ny fotoana
ny asa ratsiko ho foana
Feom-basy tampoka,no namerina ny saiko.
Ataovy ambony ny tanana, hoy ny feo voaraiko.

"Dada an! Dada an !"

Hoy ireto zanako
nisambotra ny tanako
Ndeha higadra i Dada, hamita ny adidiny.
Nitomany ireto zanako, nilaozand'Ray tsy fidiny.

page fb: H_Eric
--------
Rohy:
1450 5
Hevitra mandeha
andry 1000 ( 24/04/2019 03:34)
tsara zandry raha atao tantara a!
azteca ( 03/05/2019 10:56)
migadra dia hiverina hanendaka sy hanimba fiaraha monina indray refa mivoaka avy any...
H_Eric ( 04/05/2019 10:27)
izaho anisany ilay voaendaka t@ io tantara io. Izany no antony namoronako azy.
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Zoky Eric
Nampiditra : H_Eric
Daty : 11/04/2019 04:43
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0104