You are here: home > Vetso

FA NAHOANA ? - H_Eric

Izahay raha mba mitia
Dia mitia mangina ihany
Efa fantatray fa tsia
Ny valiny avy any

Mba toa an'iza moa
No mba afaka hitia
sy mba afaka hamoha
Ilay fitiavanay aty ?

Moa tsy ho very maina
Raha mba maniry izany ?
Izahay kilemaina
Aa, aleo ho eto ihany

Mitsiriritra fotsiny
Mijery izay milay
Mijery ireo fitosiny
Izay no anjaranay

Ee, misopatra ny fiainana
Fa dia nahoana loatra ?
Tsy misy hitarainana
Ka mampite-hitroatra

Fa maninona ny fo
No mbola natao nitia ?
Tena mankarary loha
Tsy ahitana fy

Fa maninona ny saina
Mbola nandinika indray
Fa tsy natao kilemaina
Toy ny vatanay ?

Mba maniry tsy ho vendrana
Nefa atao ahoana moa ?
Izahay anie ka sembana e!
Aleo mampionona ny fo

Eny e! Mba miteny fotsiny
Fa izay angaha no lahatra
Ka tsy hanomezana tsiny
Ilay Nahary izay nandahatra

Hametraka hevitra

Midira aloha