You are here: home > Vetso

FAHA ROAM-PITIAVANA - H_Eric

Lasa saina aho anio, noho ianao ry malala
Kikivy sady ketraka, ka mila ho lasa adala.
Sa ve niverina ilay, olona talohako ?
Ilay tsy mba nahay nitia,ka dia nitsofohako.

Niverina nanambitamby,angaha izany fony ?
F'ilay fitiavantsika,tsita soritra intsony.
Ilay fitiavanareo,no nitamberina ao andoa
ka niverina nifankatia indray,ianareo roa.

Tena tianao mantsy, izy iny tany aloha
Izay notadiavinao, dia nomeny avokoa
Saingy azony izay nilainy,dia iny fa voafafa
Hadinony ianao ,ka nosoloiny olo-nkafa.

Hay izaho nataonao,fitaovana fotsiny
Nohentinao hanadinoana, ireo rotsirotsiny
Nataonao sarontava, tsy
ahitana ny anarany
Oroka sy safosafo,no hany mba sarany.

Atao ahoana moa ,fa izy
tao aloha
Hampiononiko ny saiko,fa sao harary fo
Ny fitiavanao ahy,toa tsy ahitako tombony.
ka aleoko fafana,fa fitia sombitsombiny.

Tsy ahitako fifaliana,tsy azahoako fy.
Atao ahoana moa,fa izaho ilay faharoam-pitia.
Ny voaloam-pitia mantsy, ekeko tsy voafafa.
Ka aleoko dia mionina,hanadino ireo lasa.

Mombamomba

Mpanoratra : H_Eric


Nampiditra : shcwarzeneric
Daty : 13/01/2018
Mpamangy : 412
Mankafy : 0
Ankafizo

Tononkalo hafa

NOLAVINAO
NY SIPA
ANKASOM-PITIA
NY FANAHINAO
ELANELAN-TANY
NENINA
VOLAMENA
FITIA NOLAVINA
VARAVARAM-PONY
RAVOLA

Hametraka hevitra

Midira aloha