Foko Adala (Zoky Eric)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ity foko adala
tsy mba mahalala
ny tsy mety akory
fa dia mampirafy mampahory

ra mba fantatrao mantsy
ny vokatrio atsy ho atsy
mety hamotika sy handratra
ka eo ianao vao tsy hitraka

esy e, ry foko adala e
sahy namitaka ilay malala
izy anefa tsy mahita
fa variana any ampita

tsy fidiny amiko izao
fa vohatosika aho hilalao
ilay fitia toy ny afo
mora lefy, fa vidina lafo

dia tsy misaina akory izaho
hoe ratsy anie ny mampirafy
nefa ao ahoriana ao
izaho ihany no hijinja ny nafafy
--------
Rohy:
1373 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Zoky Eric
Nampiditra : Shcwarzeneric
Daty : 29/06/2016 20:35
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0102