MANDRAMATY (Zoky Eric)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
fitiavana maharitra sy mafonja
fitiavana marina iarahamahalala
fitiavana mahery sady manonja
no hitiavako anao ry malala

maro ireo fahavalo manenjika
ny lalana hizorantsika roa
na dia izany aza tsy ho rendrika
fa hatao mafy ho lamban'ako

Ny mpanenjika tsy maintsy misy
fa saingy ho reraka sy lany ivy
isika tsy mba hitapify
fa hiseo fa tsy mba ho kivy

fitia mandramaty no fetra
hijoro isan'andro isan'ora
izay no hatao tarigetra
amin'izay ireo tsy tia fotsy rora
--------
Rohy:
2235 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Zoky Eric
Nampiditra : shcwarzeneric
Daty : 27/12/2016 14:40
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0103