You are here: home > Vetso

MBOLA KELY LOATRA IANAO - H_Eric

Mialatsiny re rahavako
Fa mbola kely loatra ianao
Ka na dia misy ny fitiavako
Dia aleo hijanona amin'izao

Mbola kely loatra mantsy ianao
Ka sao hamarina ahy ankady
Satria ireo Ray sy Reninao
Masiaka be ka mila ady

Ny foko na dia tena tia
Hampandeferiko mangina
Mba  hanaja ilay fitia
Izay natolotrao ry tiana.

Tena tiako mantsy ianao
Saingy indrisy aho voatery
Ka nanao ny tsy fanao
Hamela anao hangina irery.

Nefa mbola haveriko eto ihany
Ilay teny izay nataoko
Ny foko hitia anao hatrany
Ka ny any ankafa tsy ahoako.

Tapa-kevitra aho fa hiala
Fa kosa mbola hihaona
Haka anao anie aho malala
Rehefa iny feno taona

page fb: H_Eric

Hametraka hevitra

Midira aloha