NAMPIRAFY (Zoky Eric)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
eto ampotokazo maloka
no mandefa ny heritreritro
fa ny foko tsy miloaka
no misento tsy finaritra

feno halahelo lava
dia mirotsaka tomany
tsy mba miramiran~tava
izany fiainako eto antany

mba mikasa ny hitia
mba maniry ny ho tiana
kanefa voakapokin'ny vy
ka nanjary fijaliana

dia sahinao namitak'ahy
sy nanary ahy tamin'ny kizo
tsy nametraka ahy ahy
fa ny anao no hikirizo

naratra mafy izato foko
ka voatery nampirafy
voatery antsokosoko
noho ianao izay migafy

ka aza manome tsiny aho
zao no teniko aminao
ny sitraponao tanterao
ka tovony "tsia" dien'izao
ilay teny ho "tiako ianao"
--------
Rohy:
1297 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Zoky Eric
Nampiditra : Shcwarzeneric
Daty : 07/09/2016 14:27
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.019