NIOVA (Zoky Eric)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
raha vao tonga ny maraina
dia izao no ao antsaina
ao aminao aho no hitaraina

ho rava ny hakiviana
tsy hisy ny fijalina
fa hiova hafaliana

ianao niharitra ny mafy
voarora sy voajapy
nohendahana fitafy

ray รด, nohon'ny otanay
no hifonanay indray
miandrandra ilay fiainana mandrak'izay

ny fijaliana izay tsy tanty
tena manimba ny ao anaty
ka mahatonga anay ho faty

ho tsara sitrapo
ilay ray tsy toa
dia ampanjakao ny soa

hiadana aok'izany ny fiainana eto antany
hafaliana tsy ho lany

ho tanteraka ho doria
ka miravoa mifalia
ampanjakao ilay fitia
--------
Rohy:
1111 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Zoky Eric
Nampiditra : Shcwarzeneric
Daty : 28/10/2016 09:48
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0104