NOLAVINAO (Zoky Eric)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Jemby tsy nahita ombana
ity foko mba nikasa hitia
Ny alaheloko saika tsy tana
Tsy nahare ilay valim-pitia.

Mba naniry hagata-pitaona
Hilazako izay ato ampoko
Indrisy fa tsy afaka ny hiaona
Hoy ny feonao izay nohenoiko.

Nosakananao ny foko hilaza
Nolavinao nodianao tsy hita
Tsy nisokatra akory ny vava
Ny maso sisa no hapitrapitra.

Indrisy ity foko nijaly
Ny henatra tsy hay lazaina
Ny tongotro toa voakaly
Ka niodina tsy nahay niaina.

Mba naniry fihaona matotra.
Nefa nolavina be tsotra izao.
Pahana,jemby, voafatotra
Tsy nahita izay tokony atao.

Mba nangataka iray minitra
Kinanjo arika no hany setriny
Ny alaheloko saika tsy ritra
Noho ilay didy.izay nohentiny.

Fa nahoana aho no diso safidy ?
Nihatsampy amin'olo tsy mila
Sa mila atao tsara hidy ?
Ny varavaram-poko izay mitanila.

Ratsy angamba aho,izay no izy.
Ka tsy tianao ny hireseka amiko.
Ka aleo havaliko anaty valizy.
Soa ihany fa efa nomaniko.

page fb: H_Eric
--------
Rohy:
1292 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Zoky Eric
Nampiditra : shcwarzeneric
Daty : 28/01/2018 20:51
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146