NY FANAHINAO (Zoky Eric)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsiodrivotra malefaka
Nampionona ny fony
Fahoriana mahaketraka
Ny voahary tsy tsaroany

Navelanao irero teto.
Ilay olon-tianao
Ka injao fa misento
Malahelo lava izao.

Very tany ankodivirana
Mbola azo ihafiana
ity tsy azo handosirana
Ihany koa mba hidifina

Dia alahelo ihany sisa
No nandrakotra ny fony
Toa zary lasa farasisa
Ilay fitia izay nimasoany

Lasa ianao,ka tsy fatany
Ka voandona ny fanahy
Lasa ilay sila-batany
hoany ambany langorah

Alahelo sy tomany
No hany sisa vitany
Ianao nandao ny tany
Intsony tsy ho hitany.

Ny fanahinao hijery
Ny alehelony mangina
Fa izy kosa manirery
Sy vesaram-pijaliana.

Ny fanahinao tsy miato
Fa tsy mahita ny atao
Fa ny varavaram-bato
No mifehy ny vatanao

Na dia tia aza ny fo
Indrisy tsy azo ialana
Fa hizorana avokoa
ireo lalana hiafarana

Mandria ampiadanana
Fa izy mbola hanaraka
Higoka fahasambarana
Fa tsy afaka hisaraka.

Eny izy tsy hanadino
Ireo voady izay natao
Miangavy ampangino
Aminy ilay fanahinao.

Ny fanahinao mitondra.
Ireo rivotra malefaka
Zary lasa diamondra
hasambarana mipetraka

Ny fanahinao manery
ireo vorona hivazo
Ka tsy hamela azy irery
Hampitraka ny malazo.

Ny fanahinao manery
Hamafany izato masony
Ho zary ilo tsy ho very
Ka ho foana ny akasony
--------
Rohy:
1045 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Zoky Eric
Nampiditra : shcwarzeneric
Daty : 14/01/2018 09:04
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0098