You are here: home > Vetso

NY SIPA - H_Eric

Azo vakiana?

... NY SIPA ...
Aleo ny sipa maola fihetsika.
Toy izay ny sipa be fitetika.
Miseho ho masina aok'izany.
Nefa mizarazara ny ao ambany.

Aleo ny sipa jefijefy.
Toy izay ny sipa mihao-pefy.
Miseho ho hendry,mody kanty.
Nefa harivariva tsy mahatanty.

Aleo ny sipa kely mihodina.
Ilay manao zipo ampoto-pe.
Toy izay ny sipa toa sodina.
Manao zipo lava be.

Mody maontina fianjaika.
Mihatsara velan-tsihy,
izay mahazo diso paika
Fa efa lany tsiro tsisy fihy.

Aleo ny sipa diso mihaingo.
Fa tsy mandoto izany tenany.
toy izay sipa toa baraingo.
Ny filana no fonenany.

Aleo ny sipa madiditra.
Toy izay ny sipa mody fanina.
Fa sao ianao hibaby kitra.
Ka ho lavo tsy misy hanarina.

H_Eric
page fb: H_Eric

Hametraka hevitra

Midira aloha