You are here: home > Vetso

RAVOLA - HARINIRINA Eric

Moa ve voavidim-bola ny fo?
Izay lalovand-ravola dia lefy avokoa
Ireo tovovavy izay manja sy tsara
Vao mahita and-ravola dia indro fa tara

Takon-dravola ireo fahendrena
Voasakany tsy fidiny ireo fifanekena
Ireo marina niova tsy nahazo laka
Fa anjarand-ravola amin'izao no manjaka

Ilay fitiavana amin'izao toa atao akinanga
Mijery fianjaika, sy mijery saranga
Ny endrika sy toetra tsy anisany intsony
Fa raha misy vola dia mahazo ny fony

Ireo sipa miavona sy tsy te halala
vao mahita ny volany dia miantso hoe malala
Fa ireo mahantra tsy manankomena
Lazaina fa mpitsindroka maloto eny antsena

Vitsy ireo vehivavy madio sy manaja tena
Satria efa voaloton'ny vola sy harena
Fa ireo mahantra mampahonena
Raha sendra mandalo hodina tsy jerena

Mombamomba

Mpanoratra : HARINIRINA Eric


Nampiditra : shcwarzeneric
Daty : 08/01/2017
Mpamangy : 75
Mankafy : 0
Ankafizo

Tononkalo hafa

RESY AHO
Fitia deradera
MANDRAMATY
FANDALOVANA
NIOVA
NAMPIRAFY
HAFA KELY
Aout 2016
DIARY
~HERY INONA~

Hametraka hevitra

Midira aloha