RESY AHO (Zoky Eric)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Resy aho ry fiainako, fa aleo mba hivoaka
Resy aho ry fiainako, ka mila hitsoaka
Izay hatao rehetra, tsizarizary
Resy aho angamba ka toa lasa narary

Ty fiainako mahantra,mampahonena
Ny androany tsy vitako,ny hafa indray no jerena
Miezaka foana mba ho tafita
kanefa izay atao toa lasa tsy hita

Resy aho ry finako, averiko etoana
isan'ora ,isan'andro ary koa isantaona
Resy aho angamba, ka tsy mahita ny ombana
Maizina, kitroka ,manakona ilay hazavana

Azoko antsaina ireo ho avy amaraina
Mety ho feno tsiky, ka ho foana ny taraina
Ireo ratsy natao, ezahina mba hialana
Ny fahasambarako, izay no fikasana
--------
Rohy:
1391 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Zoky Eric
Nampiditra : shcwarzeneric
Daty : 01/01/2017 11:00
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0107