Safoto (oh) (Zoky Eric)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Sahirana amin'ny tsy antena
toy ny ankoho mitari~jana~gana
voafatotrin'ny fifanekena
ny fitia ka tsy azo ialana

natao anadahy iankinana
kanjo misikidy ho vady
faly sady sahirana
toin'ny mandrandrana tady

aza atao fitia voangivy
toy ny hazo sy vorona
mbola lavitra ihany fa kivy
izay manina ihany no anantonona

faly sahirana toin'ny mampirafy
ka mihinan~droa vao jejo maso
ny erika tsy maintsy mifafy
ny fiainana tsy hilaozan'ny ankaso

ikala Momba tsy tian~dahy
ka maty vao Ramalala
maty ratom~pokolahy
mangatsiaka arahim~panala

mifankatia tsy mifamarafara
ka ady no hiafarany
ny lahatra tsy maintsy hafara
ny vola tsy maintsy ho lany
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana - Fitiavana
907 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Zoky Eric
Nampiditra : Shcwarzeneric
Daty : 30/04/2016 11:01
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142