You are here: home > Vetso

✹Aoka fo fantatrao✹ - harylovah

Efa haiko fa...ho avy indray ianao
hangata-pamelana, fa vita 'zay natao
dia hifamela isika, toy ny mahazatra
na dia efa ditsoka, marary feno ratra...

Efa haiko fa, tsy asianao sira akory
Ireny ratram-poko tsaroana nampaory
Satria hamela anao, ny foko mbola tia
Efa koa nivoady fa hoe hiaraka doria...

Efa haiko ho'aho, fa mbola hanin-droa
Mbola hitohy hatrany ny ditranao koa
Dia mbola hamela aho, raha hiverenanao
Satria hainao tsara, f'izaho tsy mba mandao...

Fa aoka ho fantatrao, fa any andro iray
Ho tonga eto ianao amin'izay fotoana izay
Hangatam-pamelana, hiventy fiangaviana
Fa ferapara sisa no hitsena anao, ry Tiana....

#Harylovah

Hametraka hevitra

Midira aloha