AFA-PO (harylovah)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha misy ny tsara
mba azoko ambara
raha nampitahaiko ny fiainana an-tany
dia ny mahalala
fa ny olo-malala
mba nizarana ireo zavatra mamy.

Mba mandry ny saina
Raha 'zay nantenaina
no indro nitsiry, namelana kanto
satria izay niriana
nihafihafiana
no tonga fiadanana soa sy milanto

Izany hafaliako
rehefa ny tiako
no maika hiantoraka hivoky fitia
fa fo miara-droa
mioty ny soa
no hampijoro ny fiaina-malia..

Fa mbola hafa ihany
ambonin'izany
ny fahatsapana f'ilay ao ambony
dia noderaina
fa tompon'ny aina
dia mba natao ny hampifaly ny fony...

Harylovah_100812
--------
Rohy:
1153 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0101