You are here: home > Vetso

AVADIKO NY PEJY Avadiko - harylovah

Azo vakiana?

AVADIKO NY PEJY

Avadiko ny pejy, ovaiko ny fijery
Iniana hadinoina ny lasana omaly
Nahafinaritra iny, kanefa tsy voatery
Ho tamàna foana na de nahafaly...

Avadiko ny pejy, fisiana tonga lafatra
Manova indray mikasa tsiky vaovao
Teny vitsy monja no hany fara hafatra
Misaotra anao ny foko fa nolalovanao

Avadiko ny pejy, angamba halahelo
Iaretana andro vitsy ny aliko tomany
Miafina ao am-poko ireo tsiambaratelo
Maraina vaovao no iainako androany

Avadiko ny pejy, dieny tsisy ratra
Fa volana madio no teny niombonana
Tsy misy mahasolo ilay angoty nahazatra
Fa haiko mankamamy ireny ho fiononana

Hametraka hevitra

Midira aloha