You are here: home > Vetso

FITAKIANA - harylovah

Isika leitsy Zandry
tsy afaka hitokona
fa efa zatra miandry
fa efa zatra noana tsy manana atokona
ka tsy hanenjan-tsandry
hanaovana amboletra
tsy hampiasa herisetra...
Fa
Atao am-pitoniana
'zay mety ho fitakiana
Asiana koa fisainana
'zay mety ho fitarainana
...
Satria
Zo ny hoe mitaky
fa rehefa_hampivaky
Izato firenena
dia aleo manetry tena...

Raha izay no FAHENDRENA...

Harylovah [jona2012]

Hevitra mandeha

harylovah (16/07/2012 13:04:49)

Eo anelanelan'ny Zo sy ny fiheverana ny hafa no misy ny misy ny azo atao...ohatra: za tia maneno, izy te hatory dia hampiakariko ve ny hamafin'ny feo? Saintsaino ary e...

andoez (17/07/2012 18:41:26)

tena mahafinaritra be ny tononkalonao sady mifono anatra hitako amin'ny asa soratrao fa mpanompon' A/tra ianao satria mandefitra sy manaja ary mananatra ny tononkalonao .
Tsara fa tohizo . de izahay mazoto mamaky foana satria mampahery eh

Hametraka hevitra

Midira aloha