You are here: home > Vetso

FO MIFANGIA - harylovah

Asio pi-maso sy tsiky miangola
'Lay olon-tiana raha mbola maraina
Ny tambatr'ireny dia mihoatra ny vola
Hasim-pitiavana tsy hay hazavaina

Mahaiza mihaino 'reo zava-takiany
Asio fiheverana izay ao am-pony
Dia ho tsapanao ny tena hamamiany
Ianao hifikirany, tsy hosoloiny

Satria fanajana ny tiana malala
Ny fanolokoloina ny dinam-pitia
Ka na inona sedra miseho manadala
Miombona foana ny fo mifangia

Ary tsarovy fa misy, eny, ihany
Andro manjombona, mampitoreo
Tomany aman-tsiky ny fiainana an-tany
Fa mbola hamiratra ihany avy eo.

Harylovah

Sokajy : Fitiavana

Hevitra mandeha

Nofy2 (20/10/2014 15:12:45)

marn zan!

Hametraka hevitra

Midira aloha