You are here: home > Vetso

H A F A T R A - harylovah

Toy ny toaka vao sotroina
Mamy am-bava, mampitsiky
Rehefa lasa fahamamoana
Tonga aretina mikiky

Dia tsarovy fa ny ditra
Fifaliana monja ihany
F'any andro mbola ho ritra
Mety manam-piafarany

Mifalia fa mbà misaina
Fa ny anio no mety indrindra
Lahy tokana ny aina
Dia mahaiza koa mamindra

Tanora ianao mba te hifaly
Te hanakatra ny avo
Akana lesona ny omaly
Dieny tsy manjavozavo

Dia minoa fa izay kasaina
Rehefa miaina am-pahendena
Hasambarana maraina
Sady lavi-paharesena

Ka zay  mety ho fihafiana
Eny an-dalana izorana
Dia hanjary fifaliana
Rehefa miaina am-pahamatorana

#Harylovah

Hametraka hevitra

Midira aloha