H A I K O I H A N Y (harylovah)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
H A I K O I H A N Y

Haiko foana ihany ny miaina tsy fisiana
Sady izany hatrany ny fiainana eto an-tany
Na inona sedraina, tsenaina am-pifaliana
Sanatria ny ho kivy, na dia mitomany.

Haiko foana ihany ny miaina fanenjehana
Efa izay rahateo no ampoizin'izay mino
Na inona toa sakana tsy maintsy koa atrehana
Mandresy no hiafarany, fa finoana no isikino.

Haiko foana ihany ny mionona indraindray
Raha tojo faniriana toa sarotra takarina
Tsara ny mikasa fa ny tanjona dia iray
Mikiry fa raha lavo dia mivonona hiarina.

Haiko foana ihany ny manaiky ny mangidy
Rehefa hoe tsy maintsy no hany fetra farany
Misy ilay fotoana tsy mamela ny safidy
Fotoana anekena fa hatreo ny tantarany.

Harylovah
--------
Rohy:
1130 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : harylovah
Nampiditra : harylovah
Daty : 07/03/2018 12:18
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0103